Efa tafita any amin’ny dingana manaraka ny tongotra ilan’ny Disciples Fc Vakinankaratra. Lavon’izy ireo tamin’ny isa 4 no ho 0 ny Fosa Juniors Fc Boeny, omaly, tao amin’ny kianja Rabemananjara Mahajanga. Fihaonana izay tafiditra anatin’ny lalao mandroson’ny ampahefa-dalan’ny Pureplay Football League (PFL). Raha hiverenana ny fihaonana teny an-toerana, nanindry tanteraka [...]